Fanofanana feno momba ny fambolena sy fiompiana

Misy ivo-toerana manome fanofanana FENO momba ny fambolena sy fiompiana eto amintsika

Fantatrao ve fa ny ecovillage Madagascar dia manolotra fiofanana FENO momba ny fambolena sy fiompiana? Inona no atao amin’izany?

  • ecovillage talataMianatra tekinika manaraka ny fenitry ny permaculture, izay manaja sy manatsara tanteraka ny tontolo iainana
  • Mandalina ny mahaolona: mianatra fomba fitantanana, mandalina ny tena manokana, mianatra sy mampiatra avy hatrany ny teknolojia vaovao, mandalina ny fahasalamana sy fahiazana mandanjalanja ny sakafo

Zava-dehibe tokoa io faharoa io satria izay no lesoka hita matetika amin’ny tanora: lesoka eo amin’ny fahaiza-mitantana sy ny fijerevana lavitra ary ny fananana fandresen-dahatra sy fikirizana amin’ny atao (motivation profonde, persévérance).

Misokatra ny fisoratana anarana amin’izao fotoana izao ary amin’ny 26 febroary 2014 ny andiany manaraka no manomboka. Rah ate ahalala bebe kokoa momba izany dia tsidiho ny http://ecovillagemadagascar.com/!